<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>32</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Misaotra Anao izahay
 Jehovah Tompo ô !
 Fa efa naharay
 Ny soa taminao.
 Ka lalandava no
 Isaoranay Anao
 Ho eo am-bavanay tokoa
 Ny teninao.

[V2]
 Fa reharehanay
 Sy famonjena koa
 Ny Tompo tia anay,
 Tsy manam-paharoa.
 Ny fandresena soa,
 Ny fiononam-po
 Dia avy taminao,
 Ka hery manavao.

[V3]
 Ny olo-mino Anao
 Sy ireo mpanomponao
 Na velona na maty,
 Dia misaotra Anao.
 Ka sambatra tokoa
 Fa manana Anao
 Izahay, ry reharehan'
 Ny Fanahy ô !</lyrics>
<title>Misaotra Anao Izahay FFPM32</title>
</song>